Mpanao taxi-moto ilay lehilahy hita faty teny Mahabo Andoharanofotsy ny sabotsy lasa teo. Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nosimbain’ireo mpamono olona ny tarehin’io lehilahy io ary nofonosany tao anaty harona plastika. Nariana tao anaty tatatra misy honahona ny vatana mangatsiaka ka ny fokonolona no nahatsikaritra azy.
Lasan’ny jiolahy ny basy MAT 49 sy bala 25 teny amin’ny mpiambina tanànan’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena teo aloha tao Antsampandrano Ilafy, ny herinandro lasa teo. Mpiana-draharaha eo anivon’ny FIP ilay mpiambina ka tsy nahatohitra ny jiolahy am-polony nanao ny fanafihana.
Tafaverin’ny fokonolona sy ny zandary ny omby 80 nalain’ny dahalo tao Morarano, fokontany Andremanero, kaominina Ranohira, distrikan’Ihosy, ny harivan’ny 9 septambra teo. Nentin’ny dahalo nandositra ny omby ka raikitra ny fanarahan-dia. Nifandona tamin’ny mpitandro filaminana ireo mpandroba ka nitsoaka nandositra.
Voasambotry ny zandary tao Ambodifamba Andapa ny vehivavy iray nandoro vola ka nanaparitaka horonantsary tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook, afakomaly. Niaiky heloka, notanana atao fanadihadiana io vehivavy io ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.