Miisa 15 ny orinasa maniry hanondrana volamena. Nametraka antontan-taratasy mangataka fahazoan-dalana ny 9 amin’izy ireo, teny amin’ny Antokon-draharaha nasionaly lalam-pihariana volamena (Anor). Amin’ ny alalan’ny didim-pitondrana no hamoahana ny fahazoan-dalana mifandraika amin’ny Tsenan’ny volamena.
Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) i Madagasikara. Hatao any New York Etazonia ity fivoriambe iraisam-pirenena ity, hamantarana ny fanovana mila hatao ho an’ny fandaharanasa 2023, hanatrarana ny tanjona 2030, mikasika ny fampandrosoana maharitra maneran-tany.
Nanolotra jiro ho an’ireo kaominina manodidina ny ozinina any Toamasina, ny orinasa Ambatovy. Miisa 375 ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro natolotra ny fianakaviana monina ao amin’ny kaominina Fanandrahana, Amboditandroho ary Toamasina Suburbaine. Mitentina 217 tapitrisa Ar ireo fanampiana ireo.