Vita ny antsapaka : miroso ny fanatanterahana fifidianana

Fanajana ny didy aman-dalàna, fangaraharahana amin’ny fitantanana fifidianana, tsy fitanilana. Izay no nanaovan’ny Ceni ny antsapaka teny Alarobia, omaly, amin’izay ho filaharan’ny kandidà amin’ny biletà tokana, tabilao fampielezan-kevitra, fandraisam-pitenenana amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

Taorian’ny antsapaka na­trerahan’ireo kandidà na ny solontenany, no­ha­zavain’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, ny dingana amin’ny zotram-pifidianana. Lasa any Afrika Atsimo, omaly, ohatra, ny delegasiona tarihiny amin’ny fanontana ny biletà tokana. Nanomboka ny 10 septambra ny fizarana karatry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany.
Nantsoiny koa ireo kandidà hanendry izay ho solontena tsy maharitra eo anivon’ny Ceni, izay hivory voalohany amin’ny 18 septambra. Ma­hazo manatrika ny fivorian’ny birao maharitra izy ireo, saingy tsy manapa-kevitra fa mpanara-maso. Eo koa ny tokony hanendren’ireo kandidà izay ho mpitambola. Mbola hisy ny fihaonana fahefatra amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ho fanatsarana hatrany ny zotram-pifidianana.
Nomahafisiny hatrany ny amin’ny tokony hisian’ny fifanajana eo amin’ny mpisehatra fifidianana, indrindra amin’ireo rafitra mpikarakara sy mpikirakira fifidianana. Mba hatsahatra amin’izay ny fanelezana vaovao tsy marina, fa mampisavorovoro saim-bahoaka. Efa irosoana ny fanatanterahana fifidianana. Dingana iray lehibe amin’izany ny nahavi­tan’ny antsapaka amin’izay ho filaharan’ny kandidà.

R. Nd.

Ny filaharan’ny kandidà, araka ny antsapaka

1. Razafinjoelina Tahina (FTT)
2. Andrianainarivelo Hajo (MMM)
3. Rajoelina Andry Nirina (TGV)
4. Ratsiraka Iarovana Roland (MTS)
5. Ravalomanana Marc (Tim)
6. Paraina Auguste Richard (TT)
7. Raobelina Andriamalala Andry Tsiverizo (ARB)
8. Razafintsiandraofa Jean Brunelle (APM)
9. Ratsirahonana Lalaina Harilanto (Fihavanantsika)
10. Rajaonariamampianina Hery Martial (HVM)
11. Raderanirina Sendrison Daniela (Fy-M)
12. Ratsietison Jean-Jacques Jedidia (FMI-Ma)
13. Randrianasoloniainako Siteny Thierry (Fitambolagnela/IAD-PSD…)

Partager sur: