Alaotra Mangoro : tantsaha 3 000 nisitraka hanam-pamokarana

Nizara hanam-pamokarana, masomboly voly avotra sy zezika hiatrehana ny taom-pambolena manaraka ao
amin’ny faritra Alaotra Man­goro ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana, ny sabotsy teo. Manodidina ny 3 000 ireo tantsaha nisitraka izany. Betsaka ny voka-bary simba taorian’ny filatsahan’ny havandra ny faran’ny volana jona teo. Lasibatra tamin’izay ny tao amin’ny kaominina Andilanatoby sy tao Ilafy, distrikan’Ambatondrazaka. Tanjona ny hanarenana ny fiharian’ireo tantsaha niharam-boina, ka hampiroboroboina indray ny famokarana ataony. Anisan’ny dingana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo rahateo ny fampiroboroboana ny fambolena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PURPA izao fanohanana ny tantsaha amin’ny fanomezana hanam-pamokarana izao. Mpamoka­tra miisa 126 200 miparitaka manerana ny faritra 20 no kendrena hahazo izao tohana izao.

Marihina fa anisan’ny miantoka ny fampandrosoan’ ny toekarena eto Madagasi­kara ny fampiroboroboana ny famokarana. Mpamboly rahateo ny 80%-n’ny Malagasy, antony ilàna ny fanohanana azy ireo. Ankoatra izay, manamora ny famoahana ny vokatra kosa ny fahavitan’ny RN-44. Maro ny tombontsoa azo amin’izany, toy ny fahitana lalam-bokatra amin’ny fifandraisana amin’ireo mpandraharaha ara-barotra hafa.

Henintsoa H.

Partager sur: