Niombom-po tamin’ireo traboina an-jatony, vokatry ny haintrano niseho afakomaly, etsy Ampefiloha Ambodirano, ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, izay iraky ny fitondram-panjakana rahateo.
Nitondra izay voatsirambin’ny tanana, toy ny akanjo fitafy sy lamba firakotra ary kojakojan-dakozia izy, hiatrehan’ireo traboina ny andavanandrom-piainany vonjimaika. Nanamafy ny minisitry ny Mponina fa mila mitandrina ny tokantrano malagasy manerana ny Nosy amin’izao fotoana mampirongatra ny haitrano izao.
Nifarimbona tamin’ny minisitera ny BNGRC, tamin’ny fizarana fanampiana. Nanao antso avo tamin’ny minisitra ihany koa ireo traboina amin’ny fanarenana ireo trano may. Ankoatra izany ny tolo-tanana ho amin’ny fampitaovana ireo ankizy izay mbola mianatra satria hotohoton’ny afo tao avokoa ireo fitaovana vaovao, hiatrehana ny taom-pianarana.
Tsiahivina fa ny alatsinainy teo no nisy firehetana tao amin’ny vakim-paritra faha-5, ao amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano, ka olona 120 no traboina.
Mitoby amin’ny tanin’olona izy ireo ankehitriny mandra-panarina ny rava izay samy miezaka manao ny azy mialohan’ny fahatongavan’ny orana, araka ny nambaran’ny filoham-pokontany, Razafimahatratra Mbolatiana Eugène.
Tatiana A