Misaona ny tontolo politika. Nodimandry, omaly, Rakotovazaha Olivier, filoha nasionalin’ny MFM. Efa minisitra sy senatera izy fony fahavelony.
Banga ny tontolo politika. Nodimandry, omaly, ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier. Efa minisitry ny Fitaterana sy ny fizahantany, ny taona 2003 ny tenany, fony fitondrana Ravalomanana. Mpikambana teo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny Tetezamita (CST), taorian’ny krizin’ny 2009. Loholona ary filohan’ny vaomieran’ ny lalàna teo anivon’ny Antenimierandoholona (2015-2018) fony fitondrana HVM. Sekretera jeneralin’ny MFM ny tenany, fony fahavelon’ny filoha nasionalin’ny “Mafana”, Rakotonirina Manandafy ary lasa filoha nasionaly, taty aoriana.
Anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny Vondrona Panorama, ahitana antoko politika maromaro manohitra ny fitondrana, Rakotovazaha Olivier. Anisan’ny fanambaran’ny MFM farany ny tsy nandraisany anjara tamin’ny fikaonandohan’ny Ceni, andiany faharoa, ny volana jona teo. Anton’ izany ny tsy nandraisana ny soso-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana, ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Eo koa ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny famatsiam-bola ho an’ny fifidianana. Tsy mazava ny fanomezana kopia sy karapanondro faobe…
Anisan’ireo mpampianatra mpikaroka. Efa sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy tale kabinetran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora koa ny tenany.
Synèse R.