Niray feo indray ireo kandidà miisa 10 manohitra
ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana. Namoaka fanambarana momba ny fandraisan’ny praiminisitra Ntsay Christian ny fitantanana ny firenena izy ireo ary nilaza fa “Coup d’Etat Institutionnel” nokajiana manokana, hanodinkodinana ny voka-pifidianana ho an-dRajoelina izany.
Nampitondra hafatra avy any am-ponja i Mahery Lanto Manandafy. “Miondrika am-panajana tanteraka amin’izao nahalasan’ny filoha nasionalin’ny MFM izao na teo aza ny disadisa”, hoy izy. Notsiahiviny fa anisan’ireo tena akaiky ny rainy, Rakotonirina Manandafy izany Rakotovazaha Olivier izany teo amin’ny raharaham-pirenena sy ny fiainan’ny antoko.
Niofana ireo mpanara-maso ny fifidianana. Anisan’ny adihevitra ny momba ny fahafahan’ny mpanara-maso miteny tranga mandritra ny fifidianana. Ny lalana arahina amin’ny fitoriana sy ny hampatanjaka ny porofo entin’ny mpanara-maso… Miisa 72 ireo fiarahamonim-pirenena niatrika izany tetsy Andraharo, omaly ary nikarakara izany ny Ceni sy ny Pnud.
Tsy azo ivalozana ny fanapahan’ny HCC, raha ny nambaran’ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny teny Alarobia, afakomaly. Demokraty izy ka hanaiky ny voka-pifidianana. Tsy mahasoa ny fitondrana Tetezamita.