Namoaka ny tatitra sy ny antsipiriany mikasika ny herinaratry ny Jirama ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, omaly. Tratra ny fanambin’ny fanjakana nampitomboina avo roa heny ny famokarana, izany hoe 400 MW fanampiny.
Manodidina ny 400 MW ny vokatra herinaratra eto Madagasikara. An’ny Jirama ny 396 MW ary avy amin’ny orinasa tsy miankina madinika any ambanivohitra ny ambiny 4 MW. Nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo, omaly, fa mahatratra 497 MW ny totalin’ny herinaratra vaovao vokarina amin’ izao fotoana izao. Mahatratra 130 MW ny angovo avy amin’ ny masoandro, ka efa vita ny 50 MW, eo an-dalam-panaovana ny 80 MW.
Miisa 36 ny distrika hametrahana 50 MW hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity, famatsiam-bola madiodio avy amin’ ny fanjakana. Efa vita ny tolo-bidy ary efa an-dalam-panafarana ny fitaovana izao. Vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola kosa ny 30 MW ambiny.
Tohodrano
Misy koa ny herinaratra vaovao vokarina, azo avy amin’ny tohodrano. Efa vita ny 65 MW amin’ny tanjona 250 MW. Mahatratra 128 MW ny vokatra any Andekaleka, 28 MW ny any Farahantsana, 1,6 MW ny any Vohiposa ary 1,8 MW ny any Bealanana.
Nanamarika ny minisitra Andriamanampisoa Solo fa mitotaly 184 MW ny tetikasa goavana eo an-dalam-panatanterahana. Mahatratra 120 MW ny vokatra andrasana any Volobe Toamasina, izay hotaritina hanampy ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Hamokatra 64 MW kosa ny any Ranomafana Ikopa.
Solika
Manampy ireo, mahatratra 105 MW ny tanjaky ny herinaratra vaovao efa eo an-dalam-panamboarana eny Ambohimanambola, vatsian’ny fanjakana ara-bola. Mitotaly 12 MW ny herinaratra any ambanivohitra, ahitana tanàna miisa 214.
Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola vahiny mahazatra, toy ny Banky iraisam-pirenena (Pagose, Lead), ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI), sns.
Njaka Andriantefiarinesy