Vita soa aman-tsara ny fanatsarana ny tsenan’ny Coum etsy 67 ha. Manomboka miverina mivarotra ireo mpivarotra rehetra ao an-toerana.
Nasiam-panavaozana sy nohatsaraina tao anatin’ny fotoana fohy ny tsenan’ny Coum 67 ha. Vita an-tsakany sy an-davany ny fotodrafitrasa ankehitriny. Mbola tsy nisy mpitantana ny kaominina nahavita asa goavana toy izao teo anivon’ny tsenan’ny Coum nandritra ny taona maro, raha ny nambaran’ireo mpivarotra. Nisaotra ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra izy ireo tamin’izany. Izay nafindra toerana vonjimaika teny Andohatapenaka nandritra ny fanavaozana. “Nody ventiny ny rano nantsakaina tao anatin’izay fotoana rehetra izay satria vaovao tanteraka ny tsenaben’ny Coum ankehitriny”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. « Efa vita tsara ny tsena koa manentana ny mpanjifa mba hiditra hanjifa ao anatin’ny tsena ny ben’ny Tanàna », hoy hatrany izy.
Misedra olana
“Misedra olana izahay mpivarotra ao anaty tsena ankehitriny satria manakana ny fidiran’ny mpividy ao an-tsena ireo mpivarotra amoron-dalana”, hoy izy ireo. Maty antoka sady sahirana amin’ny famerenana ny volan’ny banky koa izy ireo satria mijanona any ivelany avokoa ireo mpividy noho ny fisian’izy ireo. Nitaraina sy nangataka tamin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra izy ireo, mba hanalana ny mpivarotra tsy ara-dalàna. “Ezaka goavana no atao amin’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mba hampidirana azy ireo eny anivon’ny tsena”, hoy hatrany ny ben’ny Tanàna. Nanamafy izy fa tsy mikely soroka ny kaominina hamaha izany olana izany. Nanentana ny mponina rehetra, hanome lanja ny ezaka fanatsarana ny tsena sy ny fanarahana ny lamina rehetra eto anivon’ny kaominina Antananarivo koa izy.
Mino