Mivoaka…Miditra…

 

Tsy hita be ihany ireto mpanao politika malagasy ireto.  Mivoaka miditra toa lelon-jaza amin’izay fihetsika atao. Mbetika mitsipaka, manangatra amin’ny fanaovana fanambarana arahin-tsonia. Mbetika manaraka ny onjany, toa mankasitraka izay ataon’ilay fitondrana. Manao kilalao mahavalalanina. Ilay vahoaka no fanina.
Mankaiza ary izy ity ? na samy tompom-pahefana ihany koa aza ireto mifanipaka an-toerana toa valala an-karona. Andaniny, manomboka miseholany ireo tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ilay filohan’ny Antenimierando­holona, tsy handray fitantanana an’i Madagasikara. Tonga hatrany amin’ny fiampangana ny governemanta mpiara-mitantana ho mpanongam-panjakana.
Ankilany, mazava anefa ny fitsipi-dalalo. Mandeha ny mandeha, mandroso izay handroso. Tsy mipody intsony ny lalao. Efa velona ny kiririoka fanombohana. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana. Ny mpikarakara efa manao izay ho afany mba hahatomombana ny zava-drehetra. Amin’ny ankapobeny, efa mipetrapetraka sy tsy misy ahiana.
Ny mpanara-maso ny fahadiovan’ny lalao sy ny fangaraharany ihany koa atsy ambadika, manao tsara ambina ny mpiantsehatra rehetra. Raha ny zava-misy, ho azo antoka ny vokatra hivoaka eo. Izay kandidà mandrombaka ny fandre­sena dia hivoaka avy amin’ny safidim-bahoaka tanteraka. Hanana fototra tsaratsara kokoa ny fitondrana izay ho tantanany.
Any amin’ny mpifidy, mpitsara ny lalao ny baolina. Mitaky fahavitrihana mandatsa-bato izany mba tena hampanan-danja ny vokatra mivoaka. Arakaraka ny maha betsaka ny olona mifidy no mahasarotra ny fangalaram-bato raha sanatria misy ny alaim-panahy hanao izany.
Raha fehezina, mitaky fiaraha-mientan’ny Malagasy tsivakivolo ny fanavotam-pirenena amin’ny alalan’ny fifidia­nana…tongava maro !

r.r

Partager sur: