Nirefodrefotra ny basy tao Betoho, fokontany Ambatokely, kaominina Ambohibary Vohilena, ny alatsinainy 11 septambra teo. Nikononkonona hanafika tao amin’ny fokontany Andavabary, anatin’io kaominina io, ny ekipan’ity dahalo mpaka an-keriny atao hoe Ndremasy ity ny alahady 10 septambra. Naharay angom-baovao ny zandary fa ny alin’io andro io ihany dia ho tonga ao an-tanàna ireo dahalo. Nitsoaka niala ny tanàna avy hatrany koa ny mponina tao anatin’ny fokontany noho ny tahotra ireo olon-dratsy. Nanao vela-pandrika hisamborana ireo dahalo ny zandary enin-dahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Nanapoaka basy avy hatrany anefa ny dahalo rehefa nahatazana ny zandary nigadona teo Betoho. Raikitra ny fifampitifirana. Voa nandritra izany, io dahalo raindahiny antsoina hoe Ndramasy io. Efa nokarohina nandritra ny volana maro noho ny tranga fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe izy.
Karohina ireo nandositra, ankoatra ireo telo mpiray tsikombakomba sady mpanao asa ratsy miaraka amin’io dahalo voasambotra nandritra ny fifandonanana io. Miara-miasa amin-dry Ndremasy amin’ny fanomanana fakana an-keriny sy fanantanterahana izany izy telo lahy tratra ireto.
Tsiferana R.