Mivantambatana toy ny mahazatra azy ny depiote Rossy. Tsy mino izy fa olom-boafidy tahaka ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanina, no hanao zavatra mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana. Nohamafisiny fa miombon-kevitra aminy ireo mpifidy vaventy rehetra nifidy sy ireo ben’ny Tanàna rehetra nifanerasera taminy. “Betsaka ny olona niantso ahy manontany ny momba ny raharaham-pirenena sy ny tsy nandraisan’ity senatera ity ny fahefana. Miroaroa saina ny olona”, hoy izy.
Manoloana izany, miantso ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, sy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny depiote Rossy mba hanazava ny zava-misy eo amin’ny fitondrana. Niantso manokana ny filohan’ny Antenimierandoholona ny tenany handray ny toerana nametrahan’ny lalàna azy.
Manao antso avo
“Miantso ny tandroka aron’ ny vozona koa izahay hiaro azy ireo raha sanatria misy ny teritery na tsindry atao azy ireo na avy aiza io na avy aiza. Aoka izy ireo hanazava ny voalazan’ny lalàna momba ny fitantanana ny firenena aorian’ ny fametraham-pialàn’ny filoha voafidy”, hoy ihany izy.
Ankoatra izay, miantso ny Malagasy izy mba ho sahy hijoro amin’ny fiarovana ny tany tan-dalàna. Anisan’izany ny mahakasika ny fitondrana ny firenena ataon’olona tsy nandalo fifidianana.
Synèse R.