Rugby – JO 2024: hidona voalohany amin’i Tunisie ny Makis

Navoakan’ny Rugby Afrique, tao amin’ny tambajotra seraserany, ny alatsinainy lasa teo, ny fandaharan-dalao amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika (JO 2024), ho an’ny rugby, lalaovina olona 7, lehilahy. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Harare Sports Club Zim­babwe, ny 16 sy 17 septambra ho avy izao. Anisan’ireo hiady toerana amin’izany ny Makis de Madagascar.
Araka ny fantatra, hidona voalohany amin’ny Makis ry zareo Tonizianina. Ekipa efa diso mifankahalala tsara amin’ny Malagasy ry zareo. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Makis i Tunisie, raha rugby lalaovina olona 7 no resahana. Aorian’ izay, hifampitana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ary farany vao hifanandrina amin’i Afrika Atsimo. Ity farany no heverina fa mety ho mafimafy saingy azo resena tsara.
Hiatrika ny manasa-dalana ireo ekipa 2 voalohany isam-bondrona. Hisolo tena an’i Afrika any amin’ny lalao Olympika (JO 2024), hotanterahina any Paris, ireo roa miatrika ny famaranana.

Tompondaka

Partager sur: