Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, hifindra any amin’ny klioba St Denis La Réunion, Razafindraibe Rajo-Berajo, vodilaharana Barea, araka ny vaovao omaly. Tsiahivina fa tao amin’ ny Jet Kintana FC no nilalao i Berajo teo aloha ary anisan’ireo vodilaharana nitondra avo ny Barea tamin’ny Chan Algerie 2022 ny tenany.
Lavon’i Algerie, tamin’ny isa 21 no ho 13, i Madagasikara, omaly, tamin’ny “Can Hand ball 2023”, izay atao any Monastir Tunisie. Faharesena efatra no azon’ i Madagasikara tamin’ity Can Juniors, sokajy vehivavy, ity. Tsy tapitra hatreo ny fifaninanana ho an’ny Akio, fa mbola hisy ny lalao fiadiana ny laharana hataon’izy ireo.
Notanterahina ny alatsinainy lasa teo, tany Portugal, ny fihaonana teo amin’i Portugal sy i Luxembourg. Nomontsanin’ny mpampiantrano tamin’ny isa mavesatra, 9 no ho 0, i Luxembourg, nandritra ny
fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana
anjara amin’ny “Euro 2024”. Marihina fa tsy voaantso tamin’io fihaonana io ilay kalaza portiogey, Christiano Ronaldo.
Hotanterahina rahampitso ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja Rugby, lehilahy. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’i France sy i Uruguay. Tsiahivina fa ny ekipam-pirenena Frantsay, les Bleus, dia nandresy an’i All Blacks, Nouvelle Zelande, tamin’ny isa 27 no ho 13 ny zoma lasa teo.