« Café-Histoire ». Johary Ravaloson, nanoratra ny boky « Ratsimilaho, roi des Betsimisaraka” no hitafa amin’ny mpankafy ny “Café-Histoire”, ny sabotsy 23 septambra 2023, eny amin’ny Musée de la Photographie de Madagascar, Anjohy. Ny mahakasika ny boky sy ny manodidina ny voalaza ao anatiny no horesahan’ity mpanoratra ity amin’izany.
“Rire de lire”. Tontosa omaly, maraina, teny amin’ny AFT Andavamamba, ny hetsika « Rire de lire », niarahana tamin’ny Gasy Stand Uppers. Tanjon’ny hetsika ny hampahafantatra ny karazana hatsikana “Stand Up” sy hanomezana sehatra ho an’ireo vao misandratra eo amin’ity karazana hatsikana ity.
Antsa tononkalo. Raikitra fa hisy ny “Tafa iray”. Hiaraka hiantsa eny an-tsehatra i Tolopanahy sy Ya Nala. Hetsika hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Ampefiloha ny alarobia 20 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Manomboka mahasarika tanora! Miha mitombo isa ireo tanora mitady toeram-pampianarana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Ho setrin’izay, nanapa-kevitra ny foibe fampianarana “Valiha Académie” fa handray mpianatra vaovao, ny sabotsy 16 septambra izao, amin’ny 9 ora sy sasany. Hialohavana dinidinika momba ny mety hoavin’ny zavakanto malagasy ity fidirana ity.