Voasambotry ny polisy ny telo lahy mpanao trafikana fitaovam-piadiana mahery vaika. Naiditra am-ponja, afakomaly, izy ireo, izay mpamatsy basy sy bala jiolahy ihany koa.
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, afakomaly, ireo telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fikasana hivarotra basy mahery vaika miaraka amin’ny bala. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampana fikarohana bevava (BC), ny 4 sy 6 septambra 2023 lasa teo izy ireo. Ny herinandro teo, nahazo loharanom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny « Service central de la surveillance du territoire » na ST Anosy fa misy olona manana sy mitazona fitaovana mahery vaika miaraka amin’ny bala eny amin’ny faritra Ivato. Nametraka vela-pandrika sy ny fanaraha-maso teny amin’ny toerana voatondro ho misy ireo jiolahy ny polisy. Voamarina tokoa ny fisian’ireto jiolahy mikononkonona hivarotra fitaovam-piadiana ireto. Nametraka tetikady ny polisy ka mody naseho azy ny vola hividianana ny basy, kanjo noraisim-potsiny.
Tambajotran-jiolahy
Tratra tao an-tranony ny lehilahy iray 54 taona niaraka tamin’ny basy SKS TP90 sy bala miisa dimy. Nandritra ny fanazavan’ilay jiolahy no nilazany fa amidy 4 500 000Ar ilay basy. Tao anatin’ny famotorana koa no nilazany fa misy namany roa hafa mpiara-mamarotra aminy ity fitaovam-piadiana ity. Voasambotra teny Tongarivo Tanjombato sy Anosimasina Itaosy izy roa lahy ireto ny 6 aogositra 2023. Ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana fa isan’ireo mpandray anjara sy mpanao fanafihana mitam-piadiana ry zalahy ireto. Tafiditra ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana eto an-drenivohitra. Efa mpamerin-keloka, vao haingana no nivoaka ny fonja ireo jiolahy.
Jean Claude