Betsaka ireo loza sy karazam-pahotana misy maneran-tany. Efa maro ny olona tsy te hivavaka intsony ankehitriny. Sahirana ihany koa ny tanora malagasy, indrindra amin’ny fitadiavana asa sy ny fiheverana izay mety hahatafavoaka amin’ny fiainana. Tsy manosika ireo tanora ireo ny teknikam-panabeazana misy eto an-toerana ka mahatonga izany. “Vahaolana ny fanaovana ny vavaka satria ahazoana zavatra maro izany”, hoy ny The preachers Luc, nandritra ny firesahany tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsiazotafo, omaly. Nilaza izy ireo fa ny vavaka ihany no fanalahidy ahatongavana amin’izany. “Tsy maintsy ampiarahana ny fahaizana sy ny vavaka ary atao fitaovana mihitsy aza. Antony iray mampandroso ny firenena iray manontolo ihany koa izany. Manana fahendrena, fiadanana, fiarovana, fahagagana, fitahiana ireo tanora manaraka an’Andriamanitra, raha ny fanazavana hatrany. Misy, araka izany, ny hetsika karakarain’izy ireo hanentanana ny olona manana olana ho tia vavaka. Hotanterahina eny Mausolée, isaky ny alahady amin’ny 10 hatramin’ny 12 ora atoandro izany.
Mino