TSELATRA

Zazavavy telo taona maty voahosin’ny fiara tsy mataho-dalana teny amin’ny fokontany Anka­dilalampotsy-Ankaraobato, ny alatsinainy 11 septambra teo. Nilalao io zaza io no sendran’ny fiara nandalo tampoka, araka ny filazan’ny nanatri-maso. Efa nampitandrina ny mpamilin’ny fiara ny polisy kaominaly iray teny an-toerana, talohan’ny loza saingy niafara tamin’ny loza hatrany izany.

Vehivavy bevoka hita faty teny amin’ny fokontany Ambohijafy-Fenoarivo, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakan’io vehivavy io nitsirara anatin’ny lakandrano. Niantso manam-pahefana sy ny mpitsabo nizaha ny namoy ny ainy ny fokonolona teny an-toerana, taorian’izay.

Naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana ilay raim-pianakaviana nandoro an-janany tamin’ny afo tao Ankofabe, Maroantsetra, ny alarobia 6 septambra teo. Efa mamo izy mivady ka tsy nahara-maso intsony ny zaza. Nilatsaka tao anaty afo ny fe ilan’io zanany io. Nokasainy hatao tsaky toaka io zanany io, araka ny nambaran’ny manodidina.

Mpitrandraka sokatra an-tsokosoko roa lahy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Beloha Androy, ny sabotsy 9 septambra teo. Efa maty avokoa ny sokatra 199 tamin’ireo 201 tratra teny amin’izy roa lahy. Nesoriny ny hena ary amidiny. Natolotra ny fampanoavana izy mirahalahy voasambotra ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Partager sur: