Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fikambanana Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF) izay tarihin’ny filohany, Ravatomanga Haingo, no nahafahan’ireo ankizy 140 nisitraka kopia maimaimpoana omaly, teny Ivato. Niarahana tamin’ny fitsarana mahefa sy ny lehiben’ny dokotera ao an-toerana ny fanatontosana ny tetikasa “Kopia faobe”.
Porofon’ny maha olom-pirenena ny fananana kopia ka izany indrindra no anton’ny ezaka, raha ny fanazavana.
Anisan’ny manan-janaka kely 5 taona, tsy mbola nanana kopia hatramin’izay Rasoarimalala Honorine, ka nihazakazaka nisoratra anarana nandritra ny hetsika. Tsy mbola ampy taona izy tamin’ny niteraka ny zanany ary tsy vita soratra amin’ny vadiny, maro ny sakana tsy nahavitany ny kopian-janany. Fotoana indrindra ho an’ny olona toa azy ny hetsika “Kopia faobe”.
Nilaza ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Penjy, fa mamaly ny antso tolo-tanana ataony ny fikambanana AFF. Omaly, nanolotra vary sy paty ho vatsin’ireo ray aman-drenin’ireo zaza tonga nisitraka ny kopiany ihany koa ny fikambanana.
Tatiana A