Raim-pianakaviana iray hita faty tao Antsarakofafa Toamasina, ny sabotsy teo. Nafenin’olona tanaty lobolobo amoron-tatatra ny razana ka simba tanteraka. Raha ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, mpangalatra sady mpanendaka ao Ankirihiry akaikin’ny bazary may, ny sabotsy teo, ity niharam-boina ity. Tratran’ny fokonolona izy tamin’ny 8ora alina. Raikitra ny daroka sy ny vono. Nentin’ny olona nihazo an’Antsarakofafa ilay mpanendaka. Voalaza fa anisan’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ity fokontany ity. Efa mahafantatra ny asa ratsiny avokoa ny mponina rehetra ao Ankirihiry ka samy nidaroka azy teny amin’ny lalana nolalovany. Ikoizana amin’ny fanendahana izy ka antony nahatonga ny olona tsy niantso polisy fa fitsaram-bahoaka avy hatrany. Niafara tamin’ny fahafatesana izany ka narian’ny olona tao anaty ala ny fatiny. Ao amin’ny hopitalibe Toamasina ny fatiny miandry ny fianakaviany haka azy. Nanamafy kosa ny teo anivon’ny hopitalibe fa halevin’ny mpamonjy voina ao amin’ny fasan’ireo olona tsy manan-kavana rehefa tsy tonga maka azy ny fianakaviany ao anatin’ny roa andro.
Sajo