Basikety-Mada Vétérans: misongadina ny ekipan’ny AT2B Analamanga

Mizotra hatrany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety sokajy « vétéran » atao any Ambatondrazaka. Misongadina ireo ekipa vaventy, hatramin’izao.

Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy «vé­téran», lahy sy vavy. Fifa­ninanana tanterahina any Ambatondrazaka, ny 10 hatramin’ny 17 septambra. Tao anatin’izay 4 andro nizoran’ny lalao izay, efa hita taratra sahady ireo ekipa misongadina, anisan’izany ny ekipan’ny AT2B Analamanga, eo amin’ny sokajy lehilahy. Tsy mbola resy mihitsy ity ekipa ity, ta­min’ireo lalao 3 natrehany. Nandresy ny ekipan’ny BBCA tamin’ny isa 63 no ho 40 ny AT2B, ny alatsinainy lasa teo. Nitohy tamin’ny lalao nihaonana tamin’ny FOBB Anala­manga ny fandresena, ny talata lasa teo, tamin’ny isa 87 no ho 70. Mbola nahazo fandresena fanintelony ny AT2B omaly, nanoloana ny B4All Atsinanana, ka isa 92 no ho 75 no nisarahan’ny roa tonta.

Mizotra tsara ny N1B, vehivavy sy U20, lehilahy
Ankoatra ny fifaninanana ho an’ny «vétéran», mizotra tsara ihany koa, amin’izao fotoana, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1B, vehivavy sy U20, lehilahy, any Mahajanga. Ekipa misongadina hatreto ny YBBC, Dunamis, MB2All ary COSCA ho an’ny N1B. Ny ekipan’ny BCEST, SBBF, MB2All ary DTSC kosa ny lohalarana ho an’ny U20.

Mi.Raz

Partager sur: