Natao tany Antsirabe I, faritra Vakinankaratra ny fanokafana ny taom-pianarana 2023-2024. Ankoatra ny lanonam-panokafana, nisy ny tantsoroka nentin’ny minisitera ho an’ny sehatry ny fanabeazana
Nosokafana, omaly, tany Antsirabe, faritra Vakinankaratra ny taom-pianarana 2023-2024. Ny ministry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle no nitarika izany tany an-toerana. Maro ny ezaka ataon’ny minisitera ho fanohanana sy fanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara izay natomboka tany amin’ny faritra Vakinankaratra. Anisan’ izany ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra, tany an-toerana. Tao ny kahie 535 182 sy ny « smartphone » miisa 268 hanaovana tantsoroka ho an’ireo talen-tsekoly ao anatin’ny faritra Vakinankaratra, eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny sekoly. Nisaotra ireo ray aman-dreny miezaka mampianatra ny zanany sy ireo mpampianatra ary ireo mpandraharaha eny anivon’ny sekoly amin’ny fanatanterahana ny asany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena nandritra ny lahateniny.
Nahazo fifanaranana arakasa
Mpampianatra nivoaka avy tamin’ny sekoly ambony manofana ho mpampianatra (ENS) 59 ho an’ny faritra Vakinankaratra, izay voaray ho mpiasam-panjakana tamin’ny andiany fahasivy no nahazo fifanarahana arakasa avy amin’ny minisitera.
“Fanabeazana ho an’ny rehetra sy tsara kalitao, antoky ny fampandrosoana ny firenena”, io no lohahevitra nentina nanamarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024 teto Madagasikara.
Vonjy