Nitarika ny filankevitry ny minisitra voalohany teny Mahazoarivo amin’ny maha mpitantana ny firenena azy miaraka amin’ny governemanta ny praiminisitra Ntsay Chirtian, omaly. Anisan’ny nankatoavina tamin’izany ny fampitana ny sora-bola mba ho soratana ao anatin’ny tetibolan’ny Ceni ny vola 4 500 000.000 Ar. Famatsiam-bola avy amin’ny Japoney, amin’ny alalan’ny “Fonds de contre-valeur” izany. “Natao hampiasaina amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana izany”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Nialoha izany, notsiahivin’ny praiminisitra ny dingana nahatongavana amin’izao fitantanana miaraka ny firenena eo anivon’ny governemanta izao. “Manaja ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ny fitondram-panjakana ka tsy maintsy manaiky ny fanapahana navoakan’ny HCC”, hoy izy. Niarahaba ny filoha teo aloha Rajoelina Andry ny lehiben’ny governemanta noho ny fahasahiana politika nananany ka nametra-pialana tsy nisy raorao ho fanajana ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ihany rehefa niverina nilatsaka hofidina ho filoham-pirenena indray.
Nanterina tamin’izany fa hatao eny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, isaky ny alarobia, ny filankevitry ny minisitra. Atrehin’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny sekretera jeneraly lefitra, ny tale kabinetran’ny Prezindansa izany.
Synèse R.