Tsy azo ihodivirana intsony ny fifidianana, miroso hatrany amin’ny fanatanterahana. “Misy ny kandidà mitaraina noho ny tsy fampitoviana lenta amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Tokony hojerena akaiky izay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, amin’ny fiatrehana fampielezan-kevitra. Misy, ohatra, ny mahazo mampiditra helikoptera, ao ny tsy mahazo manao izany. Misy ny mahazo mamory vahoaka ankalamanjana, ao ny tsy mahazo izany; eny, na anaty trano aza, voarara. Tsy mitondra fitoniana izay.
Itodihana amn’izany ny fitondram-panjakana, indrindra amin’ ny Praiminisitra izay efa lasa filoham-panjakana amin’izao fiaraha-mitantana eo anivon’ny governemanta izao. Tokony hojeren’ ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) sy ny Ceni koa izay fampitoviana lenta ny kandidà izay. Ireo andrimpanjakana ireo no voakasika mivantana amin’ny fanatanterahana fifidianana. Raha tsy mandray ny andraikiny izy ireo, tomponandraikitra amin’ny zava-miseho eto amin’ny firenena.
R. Nd.