Haikanto sy literatiora : manohana ny talenta vao ny Hetsika

“Tsy ampy mpanoro sy mpanohana ny mpiantsehatra eo amin’ny asa soratra malagasy”, hoy i Michèle Rakotoson. Miezaka mamaly ny filan’ny sehatry ny haikanto sy ny kolontsaina malagasy ny Hetsika, ho fampivelarana sy fampiroboroboana izany.

Notanterahina, omaly, teny amin’ny trano famakiam-boky Mille Feuilles Behoririka, ny tafatafa sy valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahana tamin’i Vonjy Andriana­toandro, filohan’ny fikambanana Hetsika «Accueil, arts et culture de Madagascar». Ny mahakasika ny sehatry ny haikanto sy ny literatiora ary ny kolontsaina eto Madagasikara ankehitriny, niampy ny fampahafantarana ny fikambanana sy ny drafitrasany no natao nandritra izany. «Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny sehatry ny haikanto sy ny kolontsaina ataon’ny fikambanana, ary manohana hatrany ireo tanora eo amin’izany sehatra izany izahay» hoy i Vonjy Andrianatoandro.
Fikambanana manohana ny tanora misehatra amin’ny haikanto miavaka sy mahaliana ny maro, araka izany, ny hetsika «Accueil, arts et culture de Madagasikara». Mala­gasy mpila ravinahitra no mi­vondrona ao anatin’ny fikambanana ary miara-miasa amin’ ny fikambanana vahiny misehatra eo amin’ny haikanto sy kolontsaina. Ny taona 2007 no niforonan’ny fikambanana. Tanjona ny hampiroborobo sy hampivelatra ny haikanto sy ny kolontsaina. Maro ihany koa ny mpiangaly sy vondrona ary ivontoerana misehatra eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara, no miara-miasa amin’izy ireo. Misy ny tohana sahala amin’ny fampiofanana sy vatsim-pianarana any ivelany atolotry ny Hetsika ho an’ireo mpiara-miasa aminy.
Maro ny vina efa mipetraka ho amin’ny taona ho avy, anisan’izany ny «Iray maka bahana, roa fiomanana, telo dia lasa», ny fizarana ny tantaran’ny vazimba,sns.

Lin

Partager sur: