Anisan’ny kandidà 13 nahazo fankatoavana tamin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana Ratsirahonana Lalaina Harilanto. Laharana fahasivy ao amin’ny biletà tokana.
Tsy miaraka amin’ny vondron’ny kandidà miisa 10 izy ka tsy nandray anjara tamin’ilay fanambarana nataon’izy folo mirahalahy. Manamafy ny fahavononany hifaninana eny Iavoloha izy sy ny mpiara-dia aminy. Mitaky kosa anefa ny hisian’ny fifidianana anaty filaminana sy ny fitoniana tanteraka. Mba ho fifidianana madio sy eken’ny besinimaro ny vokatra. Mba hahatongavana amin’izany, misy ny antso avo ataon’izy ireo amin’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena, indrindra ny mpanao politika sy ny vahoaka mba hitandro ny fihavanana. Manao antso ho amin’ny fifampiresahana eo amin’ny mpisehatra rehetra ny antoko Fihavanantsika mba hisorohana izay mety ho disadisa mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.
Mangataka sy manao antso avo amin’ny raiamandreny am-panahy, ny FFKM, ihany koa ny kandidà Ratsirahonana Lalaina Harilanto sy ny mpiara-dia aminy mba handray ny andraikitra manandrify azy manoloana ny toe-java-misy ankehitriny. « Sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe zanak’Andriamanitra » no namaranan’izy ireo ny fanambarana nataony, omaly.
Fanou