Voatery miverina ny delestazy satria tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny tohodrano. Anisan’ny vahaolana ataon’ny fanjakana ny fampitomboana ny famokarana herinaratra avy amin’ny solika, gazoala.
Miditra amin’ny vanim-potoana maintany isika. Nohazavain’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo, ny talata 12 septambra teo, fa mihena ny haavon’ny renirano mamatsy ireo toby mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano, toy ny any Andekaleka sy Mandraka, ohatra. Anisan’ny vahaolana raisina ny hampitomboana ny famokarana any amin’ireo toby mandeha solika. Toy ny eny Ambohimanambola, izay mihodina amin’ny gazoala, hanampy ireo toby mandeha amin’ny menaka mavesatra.
Marihina fa anisan’ny vahaolana koa ny fananganana ozinina vaovao, mamokatra herinaratra 105 MW eny Ambohimanambola, izay efa andalam-pahavitana. Eo am-pametrahana ireo milina mampandeha ny famokarana herinaratra.
Delestazy ekonomika sy teknika
Miverina, araka izany, ny fanapahana ny herinaratra, ilay lazaina hoe delestazy ekonomika. Hafa kosa ny delestazy teknika, izay tsy maintsy tapahana ny famatsiana herin-jiro, noho ny fanamboarana atao. Toy ny fanamboarana na fanoloana ny vata mpanova herinaratra (transformateur), ny andrin-jiro hazo tapaka na antitra ho «béton», ny fametrahana taribin-jiro vaovao hanitarana ny tambajotra, na koa hanoloana ny nisy nangalatra, sns.
Teo aloha teo, tamin’ny alina no tena nanaovana ny fanapahan-jiro noho ny tsy fahampian’ny vokatra. Manomboka misy koa ny atoandro sy ny takariva, fotoana tena be mpampiasa herinaratra. Misy fiantraikany any amin’ny fihariana sy ny famokarana izany, indrindra ho an’ireo miankina amin’ny herinaratra, toy ny orinasa madinika, ny miasa tena, ny mpivarotra, sns.
Njaka Andriantefiarinesy