Randriamalala Robert Charly: “Tsy misy antony tsy haharaikitra ny fanatanterahana fifidinana”

Hanao ahoana ihany ny fifidianana filohan’ny Repoblika? Tsy misy antony tsy haharaikitra ny fanatanterahana izany, raha ny nambaran’ny avy amin’ny firaisamonina sivily CMVP-Safid, Randriamalala Robert Charly.Fanehoan-kevitra…

“Raha ny zava-misy amin’izao, tsy misy antony tsy haharaikitra ny fanatanterahana fifidianana. Raha ny zotram-pifidianana, hita hoe efa samy vonona ny rehetra. Lalàna no mitondra izay atao rehetra”. Io ny fijerin’ny avy amin’ny Cellule de moralisation de la vie publique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid) sady filohan’ny vovonana Comité d’éthique et de déontologie, Randriamalala Robert Charly, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika.
Tsy misy antony mety hampisy korontana, raha mifanaraka amin’ny lalàna izay atao. Tanjon’ny Ceni amin’izao fifidianana izao ny hoe handraisan’ny rehetra anjara sy demokratika. “Hatramin’izao, afa-po aloha izahay amin’ny asan’ny Ceni ny amin’ny rejisitra nasionaly momba ny mpifidy”, hoy izy. Tena nanao ezaka be ny Ceni tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, tsy nikaton-trano fa nisokatra tamin’ ny mpisehatra rehetra: antoko politika, firaisamonina sivily… Raha nisy fanakianana na fanitsiana, maro no noraisin’ny Ceni ary nahavaly ny hetahetan’ny firaisamonina sivily.

Mila mahafantatra an’ireo kandidà ny olom-pirenena
Rehefa mitombo isa ny mpifidy, mitombo isa ny birao fandatsaham-bato. Tsy azo heverina ary tsy tokony hisy ny hoe birao matoatoa na sarintsariny. Raha mitombo ny biraom-pifidianana, miainga amin’ny fangatahana na fivakisan’ny biraom-pifidianana noho ny fitombon’ny mponina izany. Misy ny fepetra tsy maintsy arahina. Tsy mitombina ny hoe misy biraom-pifidianana foronina amin’izao. Hita ao amin’ny “site web”-n’ny Ceni ny isan’ny mpifidy sy ny isan’ny biraom-pifidianana isam-pokontany. Afa-mitondra porofo izay mahita biraom-pifidianana nefa tsy ao anatin’izany.
“Efa mila mahafantatra tsara ny mombamomba an’ireo kandidà ny olom-pirenena amin’izao. Izay no hahazoana manao safidy”, hoy kosa izy ny amin’ny fiatrehana fifidianana. Tsy tokony hanao tompon-trano mihono amin’ny zotram-pifidianana manaraka eo ny olom-pirenena rehetra. Tokony hifanentana ny samy olom-pirenena: fifidianana handeha izao, fa tsy hoe mbola hampisy ahiahy.

R. Nd.

Partager sur: