Rugby à 7 – Fifanintsanana JO 2024 : hanainga anio ny Makis de Madagascar

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Malagasy Rugby, hanainga anio alakamisy, hihazo an’i Zimbabwe ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy. Hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila ho an’ny lalao Olym­pika “JO 2024”, tanterahina any Paris Frantsa no anton-dian’izy ireo. 12 mirahalahy no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena avokoa ny ankamaroany. Anisan’izany, i Lahatra, kapitenin’ny ekipa. Eo koa i Tiana sy i Sitraka ary i Tsivery. Tafaverina ao anaty lisitry ny Makis indray amin’ity i Rija, an’ny 3FB.
Tsiahivina fa 12 ireo firenena hiady ny ho lohany amin’ity. Zimbabwe mpampiantrano, i Afrika Atsimo, i Ouganda, i Kenya, i Zambia, i Mada­gasikara, i Tunisie, i Burkina Faso, i Namibie, i Algérie, i Nigéria ary i Côte d’Ivoire. Ny 16 sy 17 septambra ho avy izao no hanatontosana ny fifaninanana ao amin’ny kianja Harare Sports Club.
Hidona voalohany amin’ny Makis ry zareo Toniziainina, avy eo ny Ivorianina ary farany i Afrika Atsimo. Miatrika ny lalao manasa-dalana ireo roa voalohany ary hahazo ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika ireo miatrika ny famaranana.

Tompondaka

Ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar
1-Lahatra, 2-Fabrice, 3-Tinarivo, 4-Mickael, 5-Jean-Yves, 6-Sitraka, 7-Rija, 8-Nofy Tiana, 9-Tiana Nirina, 10-Hery Nantenaina, 11-Danielson, 12-Tsivery

Partager sur: