Sadasada manan-tsoratra

 

Mafana ny toe-draharaha eto Madagasikara ! Raha noheverina ho famahana olana ny fifidianana dia mivadika ho fototr’olana izany ankehitriny. Asa inona no ambaran’ny mpitandro filaminana, anio maraina. Hisy ny fanambarana lehibe hataon’izy ireo. Tsy mbola misy mipika kosa ny ho vontoatiny. Ny lehiben’ny governemanta sady filoham-panjakana miara-mitantana no hitarika izany.
Inona no hiseho? Miely ny feo amin’ny mety hisian’ny korontana. Miparitaka rahateo ny tsaho sy ny fandemen-tsaina samihafa. Tonga hatrany amin’ny fametrahana fitondrana miaramila hono! Tsy mahagaga anefa izany satria anatin’ny fotoam-pifidianana rahateo i Madagasikara. Fotoana izao hanjakan’ny paikadin-tserasera maloto amin’ny endriny samihafa.
Fotoana izao hisian’ny kilalao tsy misy fitsipika. Samy manao izay danin’ny kibony kanefa toa tsy misy bedy. Iza no hibedy anefa ! ? Ny mpisehatra rehetra aza efa tsy mifampatoky sy tsy afa-miara-miasa araka ny tokony ho izy intsony. Zary mifampatahotra sy miandry kendritohina avokoa hatramin’izay noheverina ho hendry sy antoky ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana aza.
Hafahafa ny fivoaran’ny resaka politika sy ny fitantanana amin’ny ankapobeny. Na ity fiaraha-mitantana aza toa sadasada manan-tsoratra. Olombelona samy manana ny tanjony sy ny lohany 32 be izao no filoham-panjakana. Mila fananana rindrandamina manokana izany satria ny omby indray mandry tsy voatery indray mifoha. Ny saonjo iray lohasaha ihany koa tsy hilaozan’izay hamarara.
Mila fandinihana lalina satria ny tampoka tsy maha lehilahy. Jereo anie! Maromaro ny mpitondra sy ny manam-pahefana mampitombo tsy amin’antony ny mpiaro manokana azy. Tsy misy tokony ho mandrimandry manana aretina raha samy tia tanindrazana. Mila mahay mifampitsinjo.

r.r

Partager sur: