Senatera Razafimahefa Herimanana: “Tsy ilaina ny krizy sy ny korontana iniana volena”

Miantso ny kandidà sy ny mpanao politika mba hijery ny tombontsoan’ny firenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Mitaona ny vahoaka ho tony izy!

Manazava ! Manoloana ny resabe miely manodidina ny toerana misy ny filohan’ny Antenimieran­doholona, Razafimahefa Heri­manana, dia nivoaka tamin’ny fanginana izy. Nisy ny fanambarana izay nataony mahakasika ny fandavany ny fitantanana ny firenena. Manamafy ity loholona ity fa nisy tokoa ny taratasy nalefany tany amin’ny Fitsarana Avo momba ny La­làmpanorenana, iray andro mialoha ny fametrahan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoe­lina, ny fialàny. “Ny datin’ny 08 septambra 2023 dia nandefa taratasy teo anivon’ny Fitsa­rana Avo momba ny Lalàmpa­norenana tokoa ny tenako nanambara fa tsy afaka hiantsoroka ny andraikitra maha filoham-panjakana mpisolo toerana aho noho ny antony manokana”, hoy ny tahirin-kevitra tonga aty amin’ny mpanoratra.
Manao antso avo amin’ny mpanao politika sy ny kandidà ho filoham-pirenena izy mba samy hanome lanja ny tombontsoa ambonin’ny firenena. “Tsy ilaina ny krizy politika sy ny fanakorontanana iniana volena eto. Tsy hitondra vokatsoa velively izany”, hoy hatrany izy.
Miantso ny vahoaka malagasy ihany koa mba ho tony izy. “Aoka tsy hiroaroa saina fa hizotra am-pilaminana ny fifidianana, hamaritana ny hitantana ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka”, hoy izy namarana ny fanambarana.

Randria

Partager sur: