Volley. Hanatanteraka fivoriambe ny mpitsara rehetra, eo amin’ny taranja Volley-ball, ny sabotsy 23 septambra ho avy izao. Ho fanatsarana sy fanomanana sahady ny taom-pikatrohana manaraka ny anton’ity fivoriana ity, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny volley-ball.
Basikety. Miantso fanohanana avy amin’ny mpankafy basikety rehetra ny klioban’ny COSPN, izay hiatrika ny fifaninanana “Road to BAL”, ato ho ato. Hetsika maro no kasain’izy ireo hatao hanampiana ny hoenti-manana, toy ny fiaraha-mifety ny sabotsy 23 septambra izao. Misy koa ny fivarotana fanamiana COSPN ankoatra izany.
Hotanterahina ny 4-15 oktobra ho avy izao, any Afrika Atsimo ny fifaninanana “Cosafa Women’s Cup 2023”. Raha tany amboalohany, ny 23 aogositra – 3 septambra no saika hatao ny Cosafa, saingy nahemotry ny CAF izany. Tsy misy ny fiovana fa ny mpanazatra nasionaly Théodore Béatrice ihany no hitondra ireto vehivavy ekipam-pirenena ireto.
Hotontosaina ny 22-24 septambra ho avy izao ny lalao mandroso amin’ny fifanintsanana “Chan 2024”. Raha ny vaovao voaray, ny 6-8 oktobra no hanaovana ny fihaonana miverina. Marihina fa ankoatra ny Chan, maro ihany koa ireo lalao fifanintsanana miandry ny Barea, anisan’izany ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”.