TARATRY ny KANTO

Hoentina any Andriampamaky ny «Tsenaben’ny boky». Ny 22 sy ny 23 septambra izao, hoentin’ny «Opération Bokiko» hivoaka kely ny renivohitra ny hetsika fanaon-dry zareo ho fampitiavana ny vaky boky. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny varotra sy fampirantiana boky, fifaninanana maro samihafa.

Alahady fahatelo ao anatin’ny volana ny 17 septambra izao. Fotoana hanatanterahan’ny Jazz Club CGM/GZ fihaonana sy seho miaraka amin’ny mpitia jazz. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny CGM/GZ, Analakely.

Ho any Tsiroanomandidy ny Tanora Masina Itaosy. Ho fitrotroana am-bavaka ny taom-pianarana 2023-2024, hanatanteraka «Antsan-kira Fiderana» ry zareo, ny alahady 17 septambra izao, manomboka amin’ ny 2 ora, ao amin’ny FLM Soanafindra Tsiroanomandidy.

«L’Atelier Lyrique». Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozarteum, ny alahady 17 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, etsy amin’ny Alliance française Andavamamba. Hahazo laka ny famelomana ireo hira sanganasan’i Claudio Monteverdi.

Partager sur: