Tselatra

Lehilahy iray niampita tampoka, maty voafaokan’ny moto teny Marais Masay, omaly maraina. Nandeha mafy ilay  mpitondra moto. Nipoitra tampoka tamin’ny toerana tsy fiampitana anefa ilay lehilahy ka avy hatrany dia nifatraran’ny moto. Tapa-tanana ilay vazaha nandona ka nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly.

Olona telo voasambotra atao fanadihadiana momban’ny vono olona tao Ambohimandroso, Antani­fotsy, ny sabotsy lasa teo. Vadin’ilay ramatoa maty voatsatok’antsy ny iray. Lehilahy iray namangy naneho fihetsika hafahafa ny faharoa raha toa ka mpanampy an-trano taloha tao amin’io namoizana aina io ny iray.

Fiara mpitatitra olona iray tra-doza tao amin’ny lalam-pirenena voalohany, Miarinarivo,  afakomaly hariva. Vaky kodiarana aoriana tampoka io fiara io ka nitarika ny loza. Tsy nisy ny namoy ny ainy ary efa manaraka fitsaboana ireo naratra tamin’ny mpandeha.

Tovovavy iray nifampitadiavan’ny fokonolona rehefa natelin’ny rano tao vavan’ny vinany ao Manaka­ra, afakomaly atoandro tamin’ny 11 ora atoandro. Nana­votra ny zandriny izy kinanjo nosintomin’ny rano tampoka. Avotra soa aman-tsara kosa ilay zandriny izay navotany.

Partager sur: