Fasana iray novakian’ny olon-dratsy tao Miadamanjaka, fokontany Tsaravondrona, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny alatsinainy 11 septambra teo. Mpandalo iray no nahatsikaritra fasana iray efa nisokatra, ny talata hariva. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nijery ifotony ny tranga koa ny mpitandro filaminana ao an-toerana niaraka tamin’ny tompom-pasana. Voamarina, nandritra izany, fa tsy latsaky ny 15 ireo razana efa nokorontanin’ireo tsy valahara. Karandoha sy lamba niampy razana telo mbola lena sisa navelan’ireo jioalahy. Tsy hita soritra hatreto ny tompon’antoka tamin’ity vaky fasana ity. Ankoatr’io, nahitana taolam-paty 22 isa tao Ambalakondro, kaominina Tanamarina, distrikan’i Vavatenina, ny alatsinainy teo ihany. Tantsaha iray hikarakara fambolena no nahita fonosana iray. Nosokafana kinanjo taolan-dava. Nanamarina ny fisiana vaky fasana teny amin’ny manodidina ny mpitandro filaminana saingy tsy nahitana. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ireto tranga roa ireto. Raha tsiahivina, vao ny faran’ny volana aogositra 2023 no nisy tambajotran-jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra taolam-paty naiditra am-ponja ao Miarinarivo. Nahatrarana taolam-paty iray gony teny amin’izy fito lahy. Mpiray tsikombakomba ny sasany.
Tsiferana R.