20 voasambotra, valo migadra : tovolahy navonoina, notondrahana asidra

Vokatry ny fialonana, novonoin’ny rafilahiny tamin’ny fomba feno habibiana i Zafalie Marie Orlove. Notondrahana asidra , avy eo nariana tanaty lobolobo ny vatana mangatsiakany.

Voasambotry ny zandary misahana ny ady heloka bevava ireo olona 20 voarohirohy ho nahavanon-doza tamin’ny famonoana an’i Zafalie Marie Orlove. Ilay tovolahy hita faty tao anaty kirihitr’ ala, teny amoron-dranomasina, ny 5 septambra lasa teo. Na­tolotra ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, afakomaly, izy ireo. Vokany, olona valo mianadahy naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ ny fonjaben’Ambalatavoa­hangy. Nalefa nody ny 12 ta­min’ireo voasambotra saingy arahin’ny fitsarana maso akaiky. Nanamafy rahateo ny mpitsara nandray ny antontan-taratasin’ ady fa mbola mitohy ny fanadihadiana. Nilaza ny fitsarana fa ankoatra azy 20 mianadahy, mbola misy olona hafa hosam­borina amin’ity raharaha vo­noan’olona feno habibiana ity.
Raha tsiahivina ny raha­raha, tsy hita nanomboka ny fiandohan’ny volana septambra i Zafalie Marie Orlove. Andro vitsy taorian’io, nisy razana hitan’ny fokonolona. Simba tanteraka ny razana. Tsy nisy namantarana azy satria mbola notondrahana asidra ka simba tanteraka, araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera.
Ny angom-baovao no nahafantarana fa mifankatia amina tovovavy iray avy any La Réunion izy. Tonga nanao fialantsasatra tao Toamasina ilay tovovavy metisy vazaha sakaizany. Efa nisy tovolahy iray anefa niaraka tamin-drazazavavy talohan’ity lasibatra, novonoina ity. Niteraka fialonana teo amin’ilay sakaizan’ ilay tovovavy taloha izany. Teraka teo ny hevi-dratsin’ilay rafilahiny ka niafara tamin’izao famonoana olona izao.

Sajo

Partager sur: