Andrimaso FFKM : « Aoka isika hiverina amin’ny tany tan-dalàna »

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Andrimaso FFKM, omaly. “Manainga ny rehetra izahay mba hampanjaka ny fahamarinana sy hiverenana amin’ny tany tan-dalàna”, hoy izy ireo. Nohama­fisin’ny fanambarana ny antson’ireo filoham-piangonana amin’ny fandraisana andraikitry ny isam-piangonana eo amin’ny fiainam-pirenena.
Notsiahivin’izy ireo fa tanteraka ny ahiahy amin’ny fandikan-dalàna ataon’ny HCC. Eo ny nandraisana ny filatsahan-kofidiana kandidà iray. “Tsy ara-dalàna koa ny famindram-pahefana ho filoha vonjimaika nataon’ny HCC amin’ny governemanta”, hoy izy ireo. Mam­piahiahy ny ho fahamarinan’ireo fanapahan-kevitry ny HCC.
Tsy nahazo fankatoavana

Araka ny fanadihadiana natao, fantatra fa mpisolovava ny antoko Tim, ny filohan’ny Andrimaso FFKM, ny Me Rakotomalala Bakoly, nanao ny fanambarana. Mitombina koa ny porofo fa niketrika samirery ny hevitra rehetra ny eo anivon’ny fiangonana iray. Nanoratra samirery ilay fanambarana kosa ilay mpisolovava. Nilaza mazava ny filohan’ny FLM (Loteranina), ny pasitora Rakotozafy Denis, rehefa nohadihadiana fa tsy nankasitraka velively ilay hevitra rehefa nalefa ny vakiraoka tamin’ilay fanambarana. Tsy nankato ilay fanambarana kosa ny eo anivon’ny fiangonana katolika (Ekar) sy ny avy amin’ny Anglikanina (EEM). Midika izany fa natao amboletra ary tsy nahazo fankatoavan’ireo filoham-piangonana ny fanambaran’ny Andrimaso FFKM iny.

Randria

Partager sur: