Nisokatra omaly ary hifarana rahampitso ny “Journée internationales des régions” na ny Jir, ho an’ny faritra Fitovignany. Tafiditra amin’ny andiany fahafito izany ary tanterahina ao Manakara. Manana otrikarena maro toy ny fambolena, ny fiompiana tantely, ny fanodinana Lohamenaka “Huile essentielle”, ny harena an-kibon’ny tany ny any an-toerana. Mampiavaka iny faritra iny avokoa ireo ary mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Sehatra malalaka mbola afaka hisintonana ireo mpampiasa vola ihany koa. Hasongadina sy hampahafantarina ny vahoaka ao amin’izao hetsika izao izany. Niainga avy amin’ny fangatahan’ny vahoaka no nanatanterahina ny Jir hoy ny governoran’ny faritra Fitovignany tamin’ny lahateniny. “Tanjona ny hampahafantatra ny vahoaka ny otrikaren’ny faritra, ny famoronana asa ary indrindra ihany koa hisintonana ireo mpampiasa vola avy eto an-toerana sy avy any ivelany”, hoy izy. Nambaran’ny tale misahana ny fanitarana ara-toekarena, eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika fa anisan’ny anton’ny JIR koa ny fampandraisana anjara ireo “Diaspora”. Ny fisintonana ireo mpampiasa vola. Ahitana tranoheva maro ny hetsika fa eo koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo ben’ny Tanàna, ny adihevitra eo amin’ireo mpandraharaha sy ny “Diaspora”, ny fitsidihana orinasa.
Synèse R.