Ceni : “Efa an-dalana ny karatry ny mpifidy”

“Raha ny tokony ho izy, efa an-dalana na efa eny amin’ny biraom-pokontany ny karatry ny mpifidy amin’izao”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Antony mety somary nahatratra aoriana izany amin’ny toerana sasany, nisy olana tamin’ny fanontana azy. Hasiana fitomboka koa ny karatra rehefa voatonta. Raha tratra aoriana indrindra, vita amin’ity herinandro ity izay fonombohana karatra izay eny amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika.
Tsy tokony hitranga ny hoe misy mpifidy ao anatin’ny lisi-pifidianana fa tsy manana karatra, na manana karatra fa tsy ao anaty lisitra. Raha sanatria mitranga izany fa hoe misy olana teknika, ohatra: zava-dehibe ny hoe voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana ny tena. Rehefa tsy misy ny vahaolana, heverina fa hahazoana mandatsa-bato ny kara-panondro miaraka amin’ny olona eo anivon’ny fokontany mijoro ho vavolombelona. Fototra amin’ny fizarana karatry ny mpifidy ny fitetezana tokantrano. Azo alaina any amin’ny biraom-pokontany koa izany.

R. Nd

Partager sur: