Dimy taona aorian’ny nametrahana azy : simba ny 63% amin’ny fotodrafitrasa fahazoana rano madio

Nohadihadiana sy nojerena akaiky ny olana amin’ny fahazoana rano madio sy ny sehatry ny fahadiovana sy fidiovana eto amintsika. Tan­jona ny hanome tolotra azo antoka maharitra, afaka misedra ny fiovan’ny toetr’andro amin’ireo zavatra telo ireo. Nanatontosa ny asa ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana, miaraka amin’ny tohan’ny Unicef.
Araka ny fanadihadiana, tsy mbola misitraka rano madio ny antsasa-manilan’ny vahoaka malagasy, tranga manome vahana ny aretina samihafa, indrindra ny aretina mpahazo ny kilonga madinika (fivalanana, tsy fanjarian-tsakafo…). Momba ny fahadiovana, mangery eny ankalamanjana ny olona 10 tapitrisa (40%-n’ny mponina) ka miteraka voka-dratsy amin’ny fahasalaman’ny olona sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny.
Ankoatra izay, efa mihakely ny tahirin-drano ary manampy trotraka ny fiovan’ny toetr’andro mitondra ambana ho an’ny fahazoana rano azo ampiasaina.
Nifanakalo hevitra nandritra ny hateloana, eto Antana­narivo ireo, manam-pahaizana sy ny sehatra voakasika (firaisamonina sivily, fanjakana, ONG…), momba ny rano sy ny fahadiovana, hanitsiana ny fandaharanasa efa misy miainga avy amin’ny olana. Tsapa fa tsy mampivoatra ny zava-misy eny ifotony ny asa efa nosahanina hatramin’izay, satria tsy azo ampiasaina intsony ny fotodrafitrasa na fitaovana fahazoana rano madio dimy taona aorian’ny fametrahana azy. Mibaby ny vokany ny vahoaka mpisitraka.

Vonjy A.

Partager sur: