Efa nahita mpividy: vehivavy saika hivaro-janaka, voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Fangato, Kaominina am­bonivohitra Mananjary, ny alarobia 13 septambra teo, ny renim-pianakaviana iray. Nifa­naraka tamin’ny olon-tsy fantatra izy fa hamidiny ny menaky ny ainy. Niroso teny amin’ny fitsarana ny roa tonta hikarakara ny taratasy handafosana ilay zaza. Zazavavy kely vao enim-bolana ity nokasainy hamidy ity.
Nahazo fampahatsiahi­vana avy amin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana anefa ny renin’ny zaza sy ilay mpividy. Nentin’ny tsara si­tra-po nihazo ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Mananjary avy hatrany izy taorian’izay. Natao ny famotorana ka niaiky ilay renim-pianakaviana fa nokasainy hamidy ny zanany. Notanana natao famotorana izy ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izany. Marihina fa voararan’ny lalàna ny fivarotan-janaka amin’ny endriny rehetra.

Tsiferana R.

Partager sur: