Fanisana ireo olona mila tohana: fitaovana enti-manatsara ny fiahiana sosialy ny RSU

Imasoan’ny fitondram-panjakana manomboka izao ny fanaovana ny rejisitra sosialy tokana. Handrindrana ny fisitrahan’ireo marefo ny tohana sahaza azy izany.

Hatomboka any amin’ny distrikan’Ampanihy sy Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana, ny alatsinainy izao, ny fanaovana ny rejisitra sosialy tokana (RSU) eto Madagasikara. Tetikasa tanterahin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy izy ity.
Kaominina 22 no hanombohana azy ka hisy ny fanangonana ny mombamomba ny isan-tokantrano marefo. Tan­jona, amin’ity taona ity, tokantrano 60 000 no ho tafiditra anatin’izany RSU izany, araka ny fanazavan’ny tale jenera­lin’ny Fiahiana sosialy, Rivo­ma­nana Ghisbert.
Olana matetika ny fifantenana ireo olona tokony hisitraka ny fiahiana sosialy. Heno matetika ny fitarainana amin’ny mety hisian’ny kiantranoantrano sy ny akamakama ihany no misitraka ny fizarana.
Io rejisitra sosialy tokana io no hanampy amin’ny fisian’ny mangarahara amin’ny tetikasa maro. Voafaritra mazava koa ny sokajin’ny mpisitraka isam-paritra, toy ny zaza, ny reny marefo, ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo… Hanamora ny fomba fiasan’ireo mpiantsehatra amin’ny fiahiana sosialy rahateo izany. Tsy tokony hisalasala, araka izany, ny mponina amin’ny fanisana hatao sy ny fanadihadian’ny tomponandraikitra mandritra ny 3 volana.
Amin’ny taona 2024 dia tokony hahenika an’i Mada­gasikara ny fanaovana rejisitra tokana.
Hanisa ny tokantrano marefo ny mpanao fanadihadiana. Miitatra amin’ny tokantrano rehetra izany avy eo.
Hapetraka koa ny birao tokana ahafahan’ny mponina manatona manome ny mombamomba azy ho hampidirina anaty rakitry ny rejisitra sosialy tokana.

Tatiana A

Partager sur: