Fialan’ny jiosy !

Miraradraraka ny fanambarana ataon’ny hery velona politika sy ny mpisehatra rehetra, omaly. Namaly ny antsoantson’ny mpanara-baovao ny firaisamonim-pirenena sy ny raiamandreny am-panahy. Nitovy ny tadi-dokangan’izy ireo izay samy manameloka ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana nataon’ny Andrimpanjakana voalohany tokony hiaro izany dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC.
Manoloana izany, indreny fa nivoaka tamin’ny fanginany tao ireto mpitsara ambony. Sanatrian’ny vava, nokobokobonin’ny marina ka namaly « boraingina », ny fanenjehana azy ireo. Toa nanao fialan’ny jiosy, tamin’ny fanontaniana manitikitika ny olom-pirenena. Tsy afaka ny homen-tsiny anefa satria tratran’ny be no ho vitsy, omaly. Voaterin’ny toe-draharaha ankolaka, hiditra anatin’ny vela-pandriky ny mpilalao politika. Tsy nahafehy vava, kanefa ny teny maro tsy hilaozan’ota, hoy ny Ntaolo.
Iza anefa izao no voa mafy ? Ilay vahoaka efa miady amin’ny ngidim-piainana no voaviravira. Toa tsy manam-pidiny fa samy voarirodrirotra etsy sy eroa, arakaraka ny fironana mahasarika azy. Tsy misy eto Madagasikara intsony ny fijerena foto-kevitra sy ny vontoatin’ny politika kirakiraina. Sodokan’ilay tsanganan’olona mpitarika azy ireny ny valalabemandry, izay tsy mety mifoha, hatramin’izao. Tsy afaka ny mankaiza intsony fa efa voagejan’ny ziogan’ny fahantrana ka zary saribakolin’ny mpilalao politika.
Soa ihany, nifanindran-dalana tamin’ny fanambarana isan-karazany, nisy ny fanambarana nataon’ny filoham-panjakana miara-mitantana sady praiminisitra, teny Mahazoarivo, omaly. Nohamafisiny fa fifidianana ihany no hany vahaolana. Mazava be, misy fikononkononan-javatra hafahafa eto Madagasikara. Andaniny misy ny mamboly korontana. Ankilany, ireo mamono afo. Samia miandry am-pitoniana!

r.r

Partager sur: