Fifidianana filohan’ny FMF : miisa dimy ny kandidà hofidin’ireo ligy 22

Taorian’ireo kandidà telo, fantatra omaly avokoa ireo olona nirotsaka hofidina izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).

Nifarana omaly tamin’ny 6 ora hariva, teny Iso­raka, ny fe-potoana nomena ireo olona hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny FMF, miisa dimy ireo kandidà hofidin’ireo ligy 22 eto Mada­ga­sikara. Anisan’izany, Rako­tomalala Stanislas, sekretera jeneralin’ny CFEM, Andria­nony Victorien, filohan’ny FMF ankehitriny, Randriamanam­pisoa Alfred, filoha lefitry ny FMF amin’izao fotoana, Rako­tomamonjy Neypatraiky ary Astina Douglas Willson.
Tsiahivina fa Rakotoma­lala Stanislas, efa sekretera jeneralin’ity federasiona ity tamin’ny fotoana nitondran’i Ahmad Ahmad, filohan’ny FMF sy ny CAF teo aloha. Raha ho an’Andrianony Victorien sy Randriamanamp­isoa Alfred indray, mpiara-miasa nitantana ny baolina kitra teto amintsika nandritra ny efa-taona. Nisy ny fahombiazana azo nandritra izay fotoana izay. Anisan’izany ny medaly alimo nandritra ny « Chan Algérie 2022 » sy ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023. Araka ny fikarohana natao, mpikambana tao anatin’ny komity mpanatanteraky ny FMF taloha Rakotomamonjy Neypatraiky raha toa ka filo­han’ny JFC Toliara i Astina Douglas Wil­son.
Marihina fa hotanterahina ny 14 oktobra ho avy izao ny fifidianana, saingy tsy mbola voafaritra mazava ny toerana hanaovana izany.

Fitia

Partager sur: