Mpivady samy misehatra eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, Randafiarison Rosina sy Randrianavalona Claudio. Nambaran’izy roa fa ny fahaizana mifanohana no antoky ny fandresena sy ny fahombiazana azo rehefa miatrika fifaninanana. Tena mila fahaizana mandamina fotoana ihany koa satria sady mikarakara tokantrano no mikotrana. « Mifanampy amin’ny zavatra rehetra », hoy i Rosina. Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’izy mivady. Miaraka mikarakara tokantrano ary mandeha mikotrana amin’ny 9 ora maraina. Misakafo amin’ny 12 ora, maka aina kely ary miverina mikotrana indray amin’ ny 2 ora atoandro. Maharitra eo amin’ny adiny roa na telo eo ny kotrana. Efa mahazatra ny kotrana, hoy hatrany i Rosina ka tsy dia misy olana ho azy ireo. Tsy amin’ny kotrana ihany no mifanohana fa indrindra rehefa miatrika fifaninanana ihany koa. “Mifanafatrafatra ny pitsopitsony ara-teknika sy izay tokony hahitsy ary indrindra mifanohana ara-moraly”, hoy ny fanazavan’izy roa. Tsiahivina, vao avy nisalotra ny anaram-boninahitra, Tompondaka lefitra maneran-tany, taranja fibatana fonjamby, sokajy latsaky ny 45kg, i Rosina. Vao tsy ela ihany koa no samy nibata medaly telo avy izy roa, nandritra ny lalaon’ ny Nosy farany teo. “Tombony lehibe ny manana olona mitovy tanjona amin’ny tena, mahatsapa ho manana namana manokana mihitsy”, hoy Randafiarison Rosina.
Mi.Raz