Nahazo filazana fampitandremana miloko mena amin’ny herin’ny ranomasina ny eo anelanelan’i Besalampy sy Farafangana; miloko mavo kosa eo anelanelan’i Farafangana hatrany Nosy Varika. Tombanana hahatratra 4,5m ny haavon’ny onja eo anelanelan’i Morondava ka hatrany Farafangana. Manan-kery nanomboka omaly hatramin’ny anio izany, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro.
Noraisin’ny tale jeneralin’ny BNGRC sy ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ny ‘‘Centre national de coordination des opérations d’urgence’’, etsy Antanimora, ireo delegasiona avy any Tchad, ny alarobia lasa teo. Nampahafantarina ny andraikitry ny BNGRC sy nanao fifampizarana traikefa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izy ireo.
Notokanana ny herinandro teo ny CSB Ampararano, kaominina Ambatoasana, distrika Soavinandriana, Itasy. Avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Solidarité Orange no nahavitana azy ity. Tonga nitokana izany ny Gouvernoran’ny faritra Itasy. Efa misy fitaovana sy mpiasan’ny fahasalamana ary fanafody hampihodinana ity fotodrafitrasa ity.
Nandritra ny 10 andro ny fampiofanana mikasika ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy nataon’ireo mpisehatra. Tanjona ny hahafahany mizara traikefa sy mampita amin’ny alalan’ny fanofanana amin’ny fiarahamonina eny ifotony. Heverina ny hifehezana tanteraka ny fitantanana trangana herisetra eo amin’ny maha olona.