Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny kaominina Ampefy, ny fizarana ny didim-pitsarana misolo ny kopia nahaterahana. Tamin’ny volana jolay no nanaovana ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Fitsarana sy ny OIF. Efa mahatratra 1 561 ireo nisitraka izany. “Tombontsoa maro no azo amin’ny fananana ny solona kopia nahaterahana. Anisan’izany ny fidirana mianatra sy ny fikarakarana ny taratasim-panjakana”, hoy ny minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.
Hankalazaina any Brickaville, anio, kosa ny Androm-pirenena fananana kopia sora-pahaterahana. Fatiantoka ny tsy fananana izany, izay miteraka fahaverezan-jo ho an’ireo latsaky ny 17 taona. Ny OIF moa no nanohana ara-bola ny hetsika.
Nandritra izany hetsika izany, nanararaotra naneho hevitra momba ny fitakian’ireo kandidà folo ny minisitry ny Fitsarana. “Efa didy tsy azo ivalozana ny navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana… Misy fepetra takina ary efa ara-dalàna vao namoaka ireny lisitry ny kandidà ireny ny mpitsara mpikambana ao”, hoy izy.
Fanou