Praiminisitra Ntsay Christian : « Hirosoana anaty filaminana ny fifidianana »

Nivory teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly ny “Organe Mixte de Conception – National” (OMC-Nat). Nanatrika izany avokoa ny lehiben’ny fitandroana ny filaminana. Voaresaka ny fifidianana sy ny fandraisana andraikitra manodidina izany.

Nodinihina tamin’ny fivoriana ny fandaminana sy ny fepetra ho raisina mandritra izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao. “Fifi­dianana milamina anaty fitoniana no hatao”, hoy ny Prai­minisitra Ntsay Christian, nitarika izany. Voadinika koa ny fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina. Natao hisorohana ny ambana sy ny mety ho endrika fanararaotana samihafa izany, araka ny nambarany. Nanao antso avo amin’ireo mpanao politika ny lehiben’ny governemanta. Nambarany fa tsy fotoana fambolena korontana izao na fampisaraham-bazana ny sa­my Malagasy. Fifidianana no lalana tokana hizorana, hananan’i Madagasikara filoham-pirenena amin’ny volana janoary 2024. Fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambarany. “Efa mazava ny tetiandro napetraka. Niarahan’ny fitondram-panjakana sy ireo rantsamangaika isan-tokony mi­andraikitra ny zotram-pifidianana izany”, hoy ihany izy.
Tany tan-dalàna

Notsiahiviny fa adidin’ny olom-pirenena sy ny tomponandraikitra rehetra ny manaraka izany araka ny maha tany tan-dalàna ny firenena. Mitodika amin’ny vahoaka malagasy ny eo anivon’ny OMC-Nat. Miantso ny hisian’ny fitoniana ao anatin’ny vaninandro lalovan’ny firenena tahaka izao, izy ireo.
Araka izany, miroso amin’ny fanatanterahana fifidianana miaraka amin’ny fametrahana filaminana sy fandriampahalemana ny fitondram-panjakana.

Synèse R.

Partager sur: