Tsy liana amin’ny resaka politika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, indrindra fa ny vehivavy, raha ny fanadihadiana natao. Tototry ny adim-piainana sy kivy amin’ny tsy fahatanterahan’ny mpitondra ny teny nomeny, ary ireo fampanantenana nandritra ny propagandy ny antony, raha ny fanazavana voaangona.
Manodidina ny 11 tapitrisa ireo mpifidy voasoratra anarana, araka ny tatitry ny Ceni. Nihena ny tahan’ny olona mandeha mandatsa-bato nandritra ny fotoam-pifidianana nisesy, tao anatin’ny taona maro nifandimby, raha ny zava-misy. «Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy amin’ny andavanandro sy ny fandrosoan’ny firenena iray manontolo mihitsy ny tsy firaharahian’ny ankamaroan’ny olona ny tontolo politika», hoy i Tianjanahary Berthin Romual, olon-tsotra nanaovana fanadihadiana. Nilaza izy fa mampihena ny tahan’ny olona mandeha mifidy ihany koa izany. Nambarany fa rehefa tsy liana amin’ny politika ny olona, mpitondra tsy miraraha ny vahoaka no tonga eo. “Raha liana amin’ny tontolo politika ny olona, mpitondra arakaraka ny eritreretiny sy ny faniriany ary mitsinjo azy no ho voafidy”, hoy hatrany izy.
Sarotra ny hamahana ny olana na hametrahana rafitra hifehy sy hitsara ny mpitondra mikasika izay ary tsy nahitam-bokatra loatra izany hatramin’izao. Vahaolana tsara indrindra, ny fandresena lahatra sy fanentanana ny vahoaka malagasy mba tsy hifidy fahatany na hanakalo ny safidiny amin’ny zavatra hafa atolotry ny kandidà. Tanjona ny hahaizan’ny tsirairay avy ny olona tokony hapetraka eo amin’ny fitondrana sy hamaha ny olan’ny firenena iray manontolo. “Raha olona efa ratsy fanahy sy nanao zavatra mamoafady, namotika ny firenena no miverina mitondra ny firenena dia manao ny ataony ihany izy”, hoy hatrany Tianjanahary Berthin Romual.
Zo sy adidy ny mifidy
Anisan’ny vanim-potoana hisian’ny toe-draharaha mafana eo amin’ny firenena iray ny fifidianana. Fotoana fambolena korontana etsy sy eroa ihany koa. Vanim-potoana fitadiavana paikady handetehana ny andaniny sy ahafahana manandratra ny maha izy azy ny ankilany izany. “Manainga ny vahoaka malagasy rehetra mba handeha hifidy satria zo sy andraikitra izany”, hoy ny Jly Rakotoarijaona Josoa, minisitry ny Fiarovam-pirenena, nandritra ny lanonana ara-miaramila fanolorana faneva ireo jeneraly 36, teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo. “Aza avela ny olona no hifidy eo amin’ny toeranao, aleo hilamina mba hifidianan’ny vahoaka malagasy tsirairay avy an-kalalahana izay olona eritreretiny hitondra ny firenena”, hoy izy. Ilaina ny fametrahana sy fanajana hatrany ny filaminana mba hialana amin’ny fahatongavana amin’ny krizy eto amin’ny firenena. “Handroso haingana ny firenena raha mahay mifidy sy misaina ary tsy hanakalo ny safidiny avokoa ny vahoaka malagasy”, hoy Razafindrazaka Roger, olon-tsotra nanaovana fanadihadiana.
Kandidà manaja ny fahamarinana
Misy fepetra takina ho an’ireo kandidà hitondra ny firenena, hoy ireo olona nanontaniana. Voalohany indrindra, olona tsy maintsy manam-pahalalana mikasika an’i Madagasikara. Faharoa, tokony olona manam-pahaizana mba hahita teknika hampandrosoana ny firenena. Fahatelo, tsy maintsy manana olona miara-miasa sy azo itokisana, misandrahaka manerana an’i Madagasikara. “Sarotra ny hampandroso ny firenena raha misy banga ny iray amin’ireo fepetra telo ireo”, hoy hatrany Tianjanahary Berthin Romual. “Olona manam-panahy kosa no tokony hitantana ny raharaham-pirenena fa tsy ampy ny fahaizana”, hoy Rakotoarisoa Tanjonirina Jakoba, olon-tsotra. « Olona manaja ny fahamarinana sy mitsinjo ny sosialin’ny vahoaka malagasy kosa no tokony hitondra ny firenena », hoy Ratovonjanahary Michel, olon-tsotra.
Samy milaza ny ho tia tanindrazana, vonona hampandroso ny firenena ary manan-kevitra avokoa ireo kandidà 13, raha ny fahitan’ny olona azy. “Tsy maintsy fantarina raha manana finiavana hanantanteraka ny zavatra teneniny sy ny programanasany izy ireo”, hoy Ratovonjanahary Michel. Maro tamin’ny fampanantenana nataon’ny mpitondra nandritra ny propagandy no tsy tanteraka rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy ireny. Raha ny zava-misy, tia sy mirona amin’ny fifidianana ireo olom-baovao ny ankamaroan’ny Malagasy. Nilaza izy fa sarotra ho an’ny kandidà, olom-baovao, ny hanavotra an’i Madagasikara, raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no jerena. “Latsaka anaty lavaka tanteraka ny firenena ankehitriny. Anisan’izany, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana…”, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsara ho an’ny firenena ny mifidy olona efa nitondra ny Nosy sy manana traikefa fa miezaka manitsy ny diany fotsiny.
Nanatontosa : Mino