Rakotoarisoa Florent : “Aoka tsy holotoina ny HCC”

Anisan’ny voatonontonona matetika tato ho ato ka nitondra valin-kafatra ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, omaly, tetsy Ambohidahy. Nitondra fanazavana momba izany ny tenany.

Anisan’ny noresahany ny momba ny antontan-taratasin’ny kandidà Rajoelina Andry sy ny dingana momba izany. “Aza lotoina ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsy anjaranay ny manadihady ny fahamarinan’ny “Certificat de na­tionalité” an’i Andry Rajoelina. Ekena ny firotsahan-kofidina rehefa feno tanteraka ny taratasy voarainay momba ireo kandidà”, hoy izy.
Etsy andaniny, nohamafisiny fa ara-dalàna tanteraka ihany koa ary tena mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny nanomezana ny fitantanana ny firenena ho an’ny governemanta iombonana rehefa nanda ny tokony handraisany izany ny filohan’ny Anteni­mierandoholona. Hentitra ny tenany nanamafy fa tsy misy ary tsy mitombina ny filazana fa fanonganana Andrimpan­jakana “Coup d’état institutionnel” izany iny.
Tsiahivina fa nokianin’ireo kandidà miisa 10 ny fanapahan-kevitry ny HCC rehetra tato ho ato. Anisan’izany ny fahafahan’i Andry Rajoelina mirotsaka hofidina sy ny fanomezana fahefana ny governemanta Ntsay Christian hitantana ny firenena.
Nohitsin’ireo kandidà miisa 10 ireo fa tsy matoky ny HCC intsony izy ireo satria tsy afaka hiantoka ny tsy fitanilana amin’ny famoahana ny voka-pifidianana sy ny ho fitsarana ara-drariny ireo disadisa mety hiseho amin’ny fifidianana. Nanitrikitrika koa fa tsy ho tonga amin’ny fivoriana nanasana azy iarahana amin’ ny HCC koa izy ireo, anio.
Araka izany, ho tonga hatraiza indray ny raharaha, aorian’izao fanambaran’ny filohan’ny HCC izao ?

Synèse R.

Partager sur: